Andao Hihazakazaka

Andao Hihazakazaka, miandry ny andiany manaraka ireo mpanao fanatanjahantena

 Horakoraka, hiaka ary hafaliana, izay no tsikaritra teny amin'ny kianjan'Alarobia nandritra ny hetsika andao hihazakazaka nokarakarain'ny tanora advantista faritra analamanga. Ny Alahady 24 septambra teo tetsy amin'ny sampanana Andranobevava Marais Massay nihazo ny kianjan'Alarobia ny toerana nofinidin'ny Tanora nanaovana ny fandaharam-potoana. Nahitana ny sokajin-taona rehetra ny lalao. Nisy ny fifaninanana nahazoana medaly.

"Nahafinaritra ny hazakazaka, efa nandray anjara tamin'ny marathon aho ary izao avy nanao vitesse izao", hoy ny tovolahy anakiray avy ao Isotry Tsaralalana. "Tokony hisy matetika ny fihaonana toy itony" hoy kosa ireo solotena avy tao amin'ny fiangonana Ambohibao. Nanararaotra nihazakazaka ihany koa ireo tanora manomana ny fanadinam-panjakana BEPC sy BAKALOREA. Tsikaritra teny Alarobia  ireo fianakaviana niala voly sady nanao fanatanjahantena.

"Isaorana manokana ireo mpandray anjara izay tonga" raha tafaresaka tamin'ny mpanao fanadihadiana ny Talen'ny departemanta misahana ny tanora eto anivon'ny federasiona, ny pastora RAKOTO Pierre Jean Sosthène. Nomarihany fa tanjon'ny hetsika ny "hisian'ny firahalahiana sy firaisan-kina eo amin'ny tanora indrindra ny fiangonana". "Fotoana hialana voly ihany koa sady ialana amin'ny rotoroto nandritra ny herinandro" hoy izy nanamafy.

 Ny Pastora RAHARIJAONA Haja, talen'ny departemanta eo anivon'ny fivondronambe oseana indiana kosa no nilaza fa " mampiray ny tanora, manamafy ny firahalahiana kristiana sady fanatanjahantena ilay izy". Tafiditra ao anatin'ny fanafody valon'ny fahasalamana ihany koa izy io. "Indraindray isika mampianatra fotsiny fa ny fotoana toa izao ny fampiharana" hoy hatrany ity mpitarika ity nanamafy.

 Nilaza ho afa-po tamin'ny programa natao ny mpikarakara izay nahitana ny Chef Orvet sy ireo mpitarika avy eto Analamanga. Miandry ny ho tohiny izany ireo tsy nanana tombontsoa tamin'iny hetsika andao hihazakazaka iny.