DEPARTEMANTA MIADIDY NY VEHIVAVY (MIFEM FMC) |
![]() |
Tompon'andraikitra: Ps ANDRIAMALALA Sahondra |
IRAKA:Manampy, manohana, mampirisika, manatanjaka ny vehivavy amin'ny fiainany amin'ny maha mambran'ny fiangonana azy hanandratra an'i Kristy ao an-tokantrano, ao am-piangonana, sy manerana izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fifandraisana lalina amin'i Kristy; sy amin'ny fanompoana mahomby ataony. |
VINA:- Hahita ny vehivavy ho liana fatratra amin'ny fahalalana an'i Jesosy amin'ny fanompoana Azy ary hanofana ireo vehivavy hafa ho tonga mpianatra. - Hahita vehivavy mahatsinjo sy mahatsapa ny tombambidin'ny fitarihana sy ny asa fanompoana ataony, manaporofo ny fivelarany eo amin'ny fiainany. |
TANJONA:1. Fametrahana ny tombambidin'ny vehivavy (noforonina, navotana). 2. Fampitomboana ny ara-panahy (ny vehivavy tsirairay hanamafy ny finoany, ny vehivavy tsirairay samy hizara ny finoany). 3. Mikatsaka ny fomba rehetra hidiran'ny vehivavy rehetra ao amin'ny MIFEM sy ny hanovozany tombontsoa. 4. Fiheverana amin'ny fomba manokana ireo tovovavy. 5. Fitondrana fomba fijery vaovao hamahana ny olana misy eo amin'ny vehivavy. 6. Fikatsahan fomba hampivelarana ny vehivavy mba hahavitany ny asa fanompoana kristiana mavitrika. 7. Fanentanana ny vehivavy manan-talenta mba hizara fampandrosoana ny iraka nampanaovina ny fiangonana Advantista. 8. Fitarihana ny vehivavy mba ho tonga amin'ny fahaleovantena ara-bola. 9. Tetik'asa fanentanana ho an'ny fahasalaman'ny vehivavy. 10. Vehivavy misionera avokoa (vehivavy tànan'Andriamanitra sy fon'Andriamanitra amin'ny toerana rehetra). |