NY FILAMATRY NY FIAINANA KRISTIANA

Ny fahambonian’ny fiantsoan’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy

Ny fiainana kristiana dia tsy fanamboamboarana na fanatsarana fotsiny, fa fanovana tanteraka ny toetra amam-panahy. Izany dia midika fahafatesana ny amin'ny tena sy ny fahotana ary fitsanganana ho toy ny olom-baovao ao amin'i Kristy Jesosy.

Ny fon'ny Kristiana dia tonga fonenan'i Kristy amin'ny alalan'ny finoana. Izany dia tanteraka amin'ny alalan'ny «fijerena an'i Kristy, ny fibanjinana an'i Kristy, ny fitiavana mitohy an'Ilay Mpamonjy malalantsika ho toy Ilay Sakaiza tiana sy hajaina indrindra, ka tsy hanomezantsika Azy alahelo na fanafintohinana amin'ny asantsika na inona na inona.» Ny Kristiana araka izany dia «miara-dalana amin'ny fanatrehan'Andriamanitra», ary tsy misy afa-tsy amin'ny alalan'ny fahatsapantsika ny fisian'izany fanatrehana izany no «mahavoababo ny fisainantsika ho an'i Jesosy Kristy», sy hahatonga ireo fahazaram-piainantsika hivoatra hifanaraka amin'ny filamatr'Andriamanitra.» Testimonies to Ministers, p. 387, 388.

Aoka ho mby ao an-tsaintsika fa amin'ny maha-ampinga fiarovana ho amin'ny fakam-panahy sy fanentanana ho amin'ny fahadiovam-po sy ho amin'ny fahamarinana, dia tsy misy hery miasa mangina mahomby kokoa noho ny fahatsapana ny fanatrehan'Andriamanitra.” – Ed. 255.

“Tsy misy na inona na inona amin’ny fitondran-tenantsika afa-miala amin’ny fanaraha-masony. Tsy afaka hanafina ny làlantsika amin’ny Avo Indrindra isika ... Ny asa rehetra, ny teny rehetra, ny eritreritra rehetra, dia voamarika mazava tsara, tahaka ny tsy misy afa-tsy olombelona iray monja eto amin’izao tontolo izao, ary ny fijerin’ny lanitra dia mifantoka aminy”. – PP 217, 218.

Andriamanitra dia tia ny olona rehetra, indrindra ny zanany. Manongilan-tsofina mandrakariva hihaino ny antson'ny vahoakany Izy, dia ireo izay niala tamin'izao tontolo izao ka nanolo-tena ho Azy. Avy amin'izany fifandraisana masina izany no itomboan'ny fanajana sy ny fiankohofana izay aseho isan'andro isan'andro ary na aiza na aiza. Amin'ny maha-Kristiana antsika dia anisan'ny ankohonan'Andriamanitra isika, zanak'Ilay Mpanjakan'ny lanitra. Noho izany dia tsy tokony hamoaka teny na hanao asa, izay hiteraka fanalam-baraka ny «anarana mendrika» izay iantsoana antsika isika. Amin'ny lafim-piainana rehetra dia «tokony hodinihintsika lalina ny toetran'ilay Andriamanitra tonga olombelona ary hanontany tena lalandava isika hoe, Inona no hataon'i Jesosy raha teo amin'ny toerako Izy? Izany no aoka hoenti-mandrefy ny adidintsika.» Tanamasoandron'ny fahasalamana, p. 413.

Amin'ny alalan'ny Fiangonana sisa no hanaovan'Andriamanitra fampisehoana farany ho an'izao rehetra àry izao ny herin'ny filazantsara hanafaka tanteraka lehilahy sy vehivavy, amin'ny herin'ny fahotana eo imason'ny tontolo rehetra. Ilaina amin'izao andro ankehitriny izao ny hanantitranterantsika indray amin'ny maha-mambran'ny Fiangonana antsika ireo fitsipi-pitondrantena kristiana lehibe, sy hanavaozantsika ny firaiketam-pontsika amin'ireo foto-kevitra nomen'Andriamanitra. Aoka ny rehetra samy hanaraka ny fenitra ambony mifehy ny fiainana kristiana ary ho tafasaraka amin'izao tontolo izao. Mba hahatanteraka izany dia hizingizinintsika ilay fananaran'ny Tompo manao hoe: «Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy tia an'izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.» (1 Jaona 2: 15)