Ny Sampana Fiainam-pianankaviana
Ny tanjon’ny Sampana Fiainam-pianakaviana dia ny hanamafy orina ny fanambadiana sy ny tokantrano. Andriamanitra no nanorina ny tokantrano, ary ny fanambadiana no ivon’izany. Amin’ny maha-sehatra voalohany andraisana soa toavina sy ianarana ny amin’ny fifandraisana ety amin’Andriamanitra sy amin’ny hafa ny tokantrano, dia zava-dehibe indrindra ny fiainan-tokantrano eo amin’ny iraka tanterahin’ny Fiangonana, dia ny fanaovana mpianatra izao tontolo izao.
Ny Sampana Fiainam-pianakaviana dia manohana ny fampianaran’ny Baiboly mikasika ny ankohonana sady manandratra avo ireo idealin’Andriamanitra momba ny fiainam-pianakaviana. Miaraka amin’izany ihany koa, io sampana io dia manampy amin’ny fahatakarana ny fahapotehana iainan’ny olona sy ny fianakaviana maro eto amin’ity izao tontolo izao lavo ity. Ny sampana fiainam-pianakaviana dia manampy amin’ny fahatakarana ny toerana misy ny hafa, ny firaisana sy ny fitiavana ao an-tokantrano sy ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra. Ny sampana fiainam-pianakaviana ihany koa dia mampirisika ny hisian’ny fampihavanana eo amin’ny taranaka samihafa, araka ny teny fikasana ao amin’ny hafatra nentin’i Elia mpaminany, ao amin’ny Malakia 4:5,6, ary manolotra fanantenana sy fanampiana ho an’ireo izay voaratran’ny fanararaotana, ny fikorontanan’ny fiainam-pianakaviana ary ny fisarahana eo anivon’ny fianakaviana. Ny fanabeazana sy fanohanana ny fiainam-pianakaviana dia mampisy fahafaha-mitombo eo amin’ny fifandraisana. Ny isam-batan’olona, ny mpivady, ary ny fianakaviana dia ampiana mba ho afaka handray torohevitra avy amina manam-pahaizana manokana raha misy ilàna izany.
Ny asa faompoana ho an’ny fianakaviana ao amin’ny fiangonana eo an-toerana dia miompana amin’ny tari-dàlana fanofanana mialoha ny fanambadiana, sy fandaharan’asa fanamafisana orina ny fanambadiana, ary fanofanana ny ray aman-dreny. Ny asa fanompoana ho an’ny fianakaviana dia mifantoka ihany koa amin’izay ilain’ny ray na reny tokan-tena sy ny fianakaviana amin’ny fanambadiana fanindroany, ary manome torolàlana momba ny fitoriana filazantsara ataon’ny fianakaviana amin’ny fianakaviana.
“Ny asantsika ho an’i Kristy dia tsy maintsy manomboka amin’ny fianakaviana, sy ao an-tokantrano… Tsy misy saha misionera na aiza na aiza, sarobidy kokoa noho izany… Indrisy fa nataon’ny maro an-tsirambina io sahan’ny tokantrano io, ary ankehitriny no fotoana tsy maintsy hanehoana ny harena sy fanafana avy amin’Andriamanitra, mba ho voahitsy izao fiainam-paharatsiana izao”. – Adventist Home p. 35
“Ny fikasan’Andriamanitra dia ny hahatonga ny fianakaviana eto an-tany ho taratry ny fianakaviana any an-danitra. Ny tokantrano kristiana, raha aorina sy tantanana araka ny planin’Andriamanitra, dia anisan’ny fitaovana mahomby indrindra ampiasainy hamolavolana toetra kristiana sy ho fampandrosoana ny asan’Andriamanitra.” Testimonies, vol.6 p. 430
“Ny iraka ankinina amin’ny tokantrano io dia mahatratra ny olona ivelan’ireo mambra ao aminy … Mahery vaika lavitra noho izay toriteny rehetra azo toriana ny hery miasa mangina amin’ny fo sy ny fiainan’ny olona izay ananan’nytokantrano mandeha amin’ny fahamarinanana.” Ministry of Healing p. 352
Ny(ireo) mpitarika ny sampana Fiainam-pianakaviana –Olona iray na mpivady no fidina hitantana ny sampana fiainam-pianakaviana. Izy ireo dia tokony ho môdely eo amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana matanjaka sy mitombo, ary tokony ho hita fa liana marina tokoa amin’ny fampandrosoana ny firindran’ny fianakaviana rehetra. Mba hahitany fahombiazana, dia tsy maintsy manana fahatakarana ny planan’ny fanavotan’Andriamanitra manoloana ny olan’ny fahapotehan’ny fifandraisana vokatry ny fahotana izy. Ny mpitarika ny sampana fiainam-pianakaviana dia tokony hahay mitana tsiambaratelo sy hahay mamantatra ny fotoana sy ny fomba hampirisihana ny olona izay ao anatin’ny trangan-javatra sarotra mba hila torohevitra avy amin’ireo manam-pahaizana manokana ny amin’izany.
Ny komitin’ny sampana Fiainam-pianakaviana – Azon’ny komitin’ny fiangonana atao ny manangana komitin’ny sampana Fiainam-pianakaviana eo ambanin’ny fitarihan’ny Filohan’izany sampana izany.