Ry Hava- malala ao amin’I Tompo   

Tompokolahy sy tompokovavy hajaina manerana ny Federasiona Madagasikara Afovoany.

Nivalona indray ity ny taona 2012 ary mandia taona vaovao  isika ankehitriny. Koa amin’ny maha-tomponandraikitra voalohany ny tenako ato amin’ny departemantan’ny Fifandraisana  , dia faly manolotra ny arahaba sy   firariantsoa ho antsika mambra rehetra tsy ankanavaka manerana ity federasiona misy antsika ity aho sy ny mpihaino ny onjam-peo rehetra.

Tendrombohitra anefa hono tsy mihoatra an’Ankaratra, lembalemba tsy mihoatra an’Ilempona, havoana tsy mihoatra an’Andringitra, ary avo toerana tsy mihoatra an’Andriamanitra. Koa andeha atolotsika Azy ny Saotra sy ny Dera ary ny Haja sy Voninahitra , izay Azy hatrizay sy mandraka ankehitriny ary mbola ho Azy mandrakizay mandrakizay. Satria dia noho ny famindram-pony no mbola tsy nahalany ritra antsika ary ny Fahasoavany izay vaovao isa-maraina no mbola nahatoy izao antsika, ka mbola nananantsika tombon’andro amin’izao fotoana izao.

Manaraka izany tompoko, ny omby hono misy filohany, ny haolo manan-tompon-dia ary ny kibo hananan-kavana, fa ity Federasiona misy antsika ity dia misy mpitantana ary misy mpitondra, satria araka ny fitenenana tokoa manao hoe “ biby tsy manan-doha hono tsy mandeha”. Noho izany dia ataoko sahala amin’ny masoandro miposaka avy any atsinanana izany teny fiarahabana izany, ka ny avo no tratrany aloha kanefa ihany koa tsy manadino ny iva.

Arahabaina ianao andriamatoa Filoha, sy ianareo mpitantan’asa mpiara-miasa akaiky aminy, izay mitantana ity Federasiona misy antsika ity. Ianareo ilay tendrombohitra tsy saronan-javona, havoana tsy azon-driaka ary fary tsy hanim-positra. Ho vy vato aina anie ianareo, ho vatam-pamaram-mpiainana  ka hahalala ny be hanalàna sy ny kely tokony hampiana, ho tady olàna hanamafy fehezana ka hahay hifandray amin’ny vahoaka izay tarihinareo.

Arahabaina ianareo filohan’ny departemanta isan-tsokajiny : izay telonohorefy vadin’ny volana, sy ratsan-tanana akaiky ny vava. Veloma aina soava tsarà ianareo, ka hikapa hahita ny tonony ary handidy hahita ny vaniny, ka tsy hanan-java-kendrena afa-tsy  izay hampandroso mandrakariva ity Federasiona misy antsika ity.

Arahabaina ianareo Pasitora izay mitantana ny distrika manerana ny Federasiona: ianareo tokoa ilay angady lava lela manamainty molaly ny tany, ary ianareo ilay varivary fandrian’ny fody, ka hihantahantan’ny mambra sy hanehoany ny mahory azy. Hiompy anie ianareo hahavanona tompoko ary hamboly ianareo hahavokatra.

Arahabaina ihany koa ianareo Loholona rehetra manerana ny Federasiona: izay ray aman-dreny mpitantana eo anivon’ny fiangonana, masoandro amam-bolana sy ala nikirizana ary amboara nifamatorana.Vatobe lolohavina tsy azo atonta ary trafo lelafin-ko mandina fa anakandriana amin’ny fiangonana. Ny katsaka hono no mambabo telo, ny tany   naniriany no lonaka, ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara, fa ny fiangonana no mandroso sy miroborobo, dia ao tokoa ny ezaka izay ataonareo. Koa Andriamanitry ny fiadanana anie hanome anareo hery sy tanjaka ary fahasalamana mandrakariva mba hafahanareo manatontosa hatrany ny asa fanompoana izay niantsoany anareo  .

Arahabaina ihany koa ianareo rehetra izay miasa ao amin’ny Radio Oasis Antananarivo, Toamasina ary Ambatondrazaka. Tsy sanatria atao ambany maso tsy hita tahaka ny vatan’orona ianareo, na todihin-tsy tazana tahaka ny ravin-tsofina. Ianareo tokoa mantsy ilay fantsona mampita ny hafatra rehetra ho fampaherezana, ianareo ilay fo mitempo mampisy aina mamelombelona. Lany mondron’aina sy mifoha alohan’ny fitatra ianareo ary tsy mody alohan’ny masoandro. Ho ambinin-drary, handairan-tsodrano anie ianareo, ka ho ampoky ny soa sy ny tsara mandrakariva ny fiainanareo, ho tojo ny soa mihoa-pampana ary ho sendra ny tsara maharitra. Andriamanitra anie hamaly fitia anareo ary hampitombo hatrany ny talenta izay hanananareo.

Tsy hadino koa anefa ry Havana isika mambra rehetra manerana ity Federasiona izay misy antsika ity sy ianareo rehetra manaraka tsy tapaka izao onjam-peo Radio Oasis izao: izay azo lazaina fa kijeja niara-nita sy adrisa niara-nanidina  ary valala naira-nanjoy nandritra iny taona 2012 iny.

Arahabaina isika rehetra nahatratra izao taona vaovao 2013 izao. Ka izany arahaba izany dia atolotro anareo toy ny fanolotra atody ka homena hatramin’ny akorany, arabaina toa voninkazo ianareo ka ho vangian’ny lolo marevaka, ho lalovan’ny renin-tantely ka hovangian’ny fahatsaràna sy hitoeran’ny fahamamiana. Arahabaina toa olo-malaza e! Ka hivoaka maro mpanotrona, hivolana maro mpihaino, hitafy ny tsara sy meva anie ianareo ka irifan’ireo izay mitazana.Marinatokoa fa mety nisy ny zava-tsarotra izay  nolalovantsika,  mety nisy ny mafy izay natrehintsika. Kanefa toy ny fitenenana manao hoe” ny mafy fanozongozona ary ny mangidy fanandrana”. Ankino amin’Andriamanitra ny fiainana fa IZY no mahalala izay hiheverana antsika. Tahaka ny fombàn-dreniakoho ny zanany ao ambany elany, dia toy izany no homban’Andriamanitra antsika.

Koa ity taona vaovao izay lalovantsika ity anie  dia ho taona zina ho antsika amin’ny lafiny rehetra, na ara-nofo izany, na ara-panahy. Indrindra amin’izao vanin’andro farany hiandrasantsika ny fiavian’I Tompontsika izao, dia hiaraka haneho tokoa isika fa izay mitambatra vato, izay be no basy, ary ny mita be tsy ho lanin’ny mamba, satria ny hazo tokana tokoa tsy mba ala, ary ny tondro tokana tsy mahazo hao. Koa ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina ary ny firaisan-tsaina anie no hanjaka sy hahazo vahana ao amintsika rehetra amin’ny famitàna ny fitoriana ny filazantsara amin’izao fotoana farany sisa izao, ka hanafaingana ny fihavian’ilay Tompontsika eo amin’ny rahon’ny lanitra, ary isika  rehetra anie dia tsy ho diso anjara amin’ilay toerana izay efa voaomana ho antsika.

Eto am-pamaranana hoy aho hoe: Andriamanitry ny fiadanana anie homba sy hitahy anareo mandrakariva, ka ho tahiana ianareo raha mivoaka ary ho tahiana ianareo raha miditra, hangidy lavitry ny faty  anie ianareo ka ho mamy ho tian’ny vola. Tsy ho rovi-damba ririnina anie ianareo ary tsy ho rota sarotro fahavaratra . Tsy ho vaky lovia fararano  e ! na ho vilam-bava vokatr’ovy, fa ho tojo ny sambatra sy ny mananjara ianareo fa ho tahaka ilay renirano am-bodivondrona, ka ririnina halofan’ny maitso, lohataona hangitsingitsy, ary fahavaratra ho vangian-kavana.

Dia mirary soa ho antsika rehetra,  Misaotra indrindra tompoko.