FANKALAZANA NY IRAY VOLAN’NY FIFANDRAISANA FARITRA  ALAOTRA MANGORO sy FANKALAZANA  FAHA – 3 TAONAN’NY RADIO OASIS” NY 8 sy 9 JOLAY 2013 


Tao AMBATONDRAZAKA, 230 Km eo ho eo miala ny renivohitr’i Madagasikara, any amin’ny faritra Atsinanana , no nanatanterahana ny hetsika.

Ny tanjona voalohany dia  ny :

 - Fampahafantarana ny Fiangonana Advantista .

 -Fankalazàna ny faha 3 taonan’ny RADIO OASIS.

Ho  fanatanterahana izany dia nanatanteraka fampirantiana ny Départemantan’ny Fifandraisana niarahana tamin’ireo departemanta maro tao amin’ny Federasiona Madagasikara Afovoany toy ny departemantan’ny Fanabeazana, ny departemantan’ny Vehivavy sy ny ankizy, ny departemantan’ny tanora, ny fampielezam-boky, ny vie de famille , ny tranoben’ny fifandraisana sns.

Lydia Rakotondrasalama

Ankoatr’izy ireo dia teo koa ny Institution ato amin’ny Union de l’Océan Indien, dia ny Imprimerie Adventiste izay vao nankalaza tsy ela ny faha 60 taonany .

Nisy ny carnaval izay nandraisan’ny mambra anjara, ny mpianatra tao amin’ny sekoly Adventiste tao Ambatondrazaka ary ny tanora tao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka.

Ny alatsinainy 8 jolay no nanatanterahana ny fanokafana ny hetsika tamin’ny fomba ofisialy ary teo afovoan-tanàna teo akaikin’ny JOVENNA no nanatanterahana izany.

Izany hetsika izany dia notronin’ireo :

  1) solotenan’ny fitondram-panjakàna , ny SG ny Ministeran’ny fifandraisana izay nisolotena ny minisitry ny fifandraisana, ny SG ny faritra Alaotra Mangoro izay nisolotena ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro, ny lehiben’ny distrika sy ny maire ao Ambatondrazaka.

 2) ny mpitantan’asa avy ao amin’ny Federasiona Madagasikara Afovoany sy ireo departemanta maro.

 3) ny mambra avy ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka sy ny mambra avy amin’ireo distrika 5 hafa.

 4) ny mponin’Ambatondrazaka

Ireo solontenam-panjakàna izay nandray fitenenana dia samy nanamafy ny maha-zava-dehibe ny Radio OASIS ho an’ny faritra.Ny Radio Oasis izay manabe ny mponina , manolokolo ny ara-panahy sy ny ara-pitondrantena . Ho fitsinjovana ny mambra sy ny mponina tao Ambatondrazaka sy ny manodidina dia nisy ny :

- Fizahana maso nataon’ny “ Institut de la Vision”avy aty Antananarivo  ary fandraisana anjara kely no noraisina tamin’izany. Olona any ho any amin’ny 350 no nahazo tombotsoa tamin’izany.

- Fizaham-pahasalamana maimaimpoana nataon’ny dokotera avy aty Antananarivo.

Olona maro dia maro no nanatrika izany hetsika izany.

Tratra ny tanjona , dia ny hampahafantatra ny mombamomba ny Fiangonana Advantista.

Isaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanomanana izany hetsika izany. Andriamanitra anie hamaly soa antsika tsirairay avy ary ho vita tsy ho ela ny iraka izay nampanaovin’Andriamanitra antsika dia ny hitory ny filazantsara amin’izao tontolo izao.

                                                                            Lydia Rakotondrasalama

                                                                  Talen’ny Departemantan’ny Fifandraisana FMC


« KONGRESIN’NY FARITRA ALAOTRA MANGORO »

      Ny Sabata 13 Jolay 2013 no nanatanterahana io kongresy io. Toerana tsy lavitra, 5Km alohan’ny hidirana ny tananan’Ambatondrazaka no nanatanterahana azy . Ny tanjona moa dia ny hampifandray ny mambra ao anatin’ny distrika 6 ato amin’ny faritra Alaotra Mangoro dia Ambatondrazaka, Bejofo, Brieville, Amparafaravola, Tanambe ary Andilamena.

Olona maro tokoa no nanatrika izany fotoam-pivavahana izany satria nahatratra hatrany amin’ny 3000 any ny olona. Ny administrateur  financier avy ao amin’ny Union Ps Rasolonomenjanahary Robert no nitondra ny toriteny ny Sabata maraina.

Tsapa nandritra ny hetsika fa mangetaheta izany fihaonana izany tokoa ny mambra satria efa ampolotaonany maro no nisian’ny Kongresy farany.

Ny Sabata hariva dia nisy ny tatitra fohy nataon’ny pasitoran’ny distrika tsirairay nanambarany ny mombamomba ny distrika misy azy avy ary maro ireo fijoroana vavolombelona ny amin’ny fanandramana niainan’izy ireo any amin’ny faritra hiasàny avy , izay nampihetsipo tokoa.

Ny hariva nanomboka tamin’ny 6 ora dia nisy ny “Gala evangelique” izay nandraisan’ny tarika Lalao sy Jacqueline ary Ansmine anjara ka ny masoandro mody no nampalahelo satria na dia efa tany amin’ny 9ora sy ½ alina aza dia tsy te hody ny olona.

Dia mbola mamerina  fisaorana ho an’ireo  rehetra   nandray anjara tamin’ny fanomanana izany rehetra izany.