09-10-12 : Manamboatra mba ho tsaratsara kokoa
“Ny sampany rehetra eo amiko tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa.” – Jaona 15:2.
Ilay sampana maina sy tafasaraka dia mety ho tafaray amin’ilay tena voaloboka, raha toa ka tonga mpandray anjara amin’ilay fiainana sy ny fiveloman’ilay tena voaloboka, amin’ny alalan’ny firaisana amin’ilay tena voaloboka, amin’ny alalan’ny fifandraisana ety dia ety aminy araka izay azo atao (...) Mamikitra mafy amin’ilay voaloboka mitondra fiainana ilay taho, mandra-pahatongan’ny fiainan’ilay voaloboka ho lasa fiainan’ilay taho, ary mandra-pamoany voa tahaka ny voa avy amin’ilay tena voaloboka.
"Izaho no voaloboka," hoy i Kristy; "ary hianareo no sampany." Ny fifandraisana tena faran’izay akaiky indindra no aseho eto. Atsatohy eo amin’ilay voaloboka izay efa tena miroborobo ny taho iray tsy misy ravina, fa ho tonga sampana velona izy io, hisintona rano sy sakafo avy amin’ilay tena voaloboka. Ho tafaray ny singa sy ny fantsona tsirairay avy amin’izany sampana izany, mandrapamoahany tsiry sy felana ary hitondrany voa. Ny mpanota no asehon’ilay sampana tsy misy rano mikoriana ao anatiny. Rehefa tafaray amin’i Kristy dia mifandray ny fanahy samy fanahy, ny osa sy ny manam-pahataperana dia tonga masina sy tsy manam-pahataperana, ary ny tonga iray ao amin’i Kristy ny olombelona.
Lasa ampahany amin’ilay tena voaloboka velona rehefa tafaray taminy (...) Ny fanahy izay maty ao anatin’ny fandikan-dalàna sy ny fahotana dia tsy maintsy mandalo dingana toy izany ihany koa (...) Tahaka ny fandraisan’ilay sampana fiainana rehefa tafaray amin’ilay tena voaloboka, no hananan’ny mpanota ny toetran’ny avo indrindra ihany koa tafaray tanteraka amin’i Kristy. Lasa tafaray amin’ilay Andriamanitra tsy manam-pahataperana ny olombelona manam-pahataperana. Rehefa tafaray amin’izay, dia mitoetra ao anatintsika ny tenin’i Kristy, ary tsy fihetsehampo vokatry ny fahatairana no manainga antsika, fa fomba fiaina mitoetra sy maharitra.