DEPARTEMANTA FI.PI.KRI  FMC         

Tompon'andraikitra:

Ps RAFIDINJANAHARY Pierrot

-E-mail: 
rafidinjanahari@gmail.com

-skype:
pasitera.pierrot

-Tél:
033 37 109 24 / 034 09 508 23 

 


 

RY MPIARA-MIASA MALALA

 

Miarahaba anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izahay ary mirary soa anao hahefa be amin'ny maha-tompon'andraikitry ny FI.PI.KRI anao.

Ampitaina aminao ankehitriny ireo tari-dalana mandritry ny taona. Mampahery anao hamaky  izany hatramin'ny farany.

 

Azo zaraina efatra lehibe ireo sehatra iasantsika ireo:

Amin'ny teny Anglisy dia samy miatomboka amin'ny T izy ireo:

 

TREASURES : TAHIRY na FANANANA                        Télécharger

TIME           : TOMBON'ANDRO                                 Télécharger

TEMPLE       : TEMPOLY                                           Télécharger

TALENTS     : TALENTA                                           Télécharger

 

Ny Fitantanam-pananana:

Ny kristiana dia mpitandrina ny fananan'Andriamanitra, notolorany ny hareny hotantanana, ary amin'ny maha-mpiara-miasa amin' Andriamanitra ny kristiana, dia tompon'andraikitra izy ireo amin'ny fitantanana ny fananan'Andriamanitra araka ny toro-làlana sy ny fitsipika fototra nomeny. Ny torohevitra omen'Andriamanitra dia ny hoe: " ny mpitandrina fananana dia tokony ho olona mahatoky" (1 Kor. 4 : 2 ).

Ny hoe fitandremam-pananana amin'ny heviny mahafao-be dia mahasahana lafiny maro amin'ny fiainana sy ny fanandramana kristiana, nefa tsy isalasalana fa ny fitantanana ny vola aman-karena eo am-pelatanantsika dia manana toerana mankadiry amin'izany. Mahakasika ny mambra tsirairay amin'ny fiangonana ny momba an'izy ity. Voafaoka ao anatin'izany ny fanekentsika ny fanapahan'ny fahefan'Andriamanitra, ny maha-tompon'ny zavatra rehetra Azy, ary ny fandrotsahany ny fahasoavany ao amin'ny fontsika.

Ny vola, ny hery miasa mangina, ny fahamailoana, ny fotoana ary ny hery - ireo rehetra ireo dia fanomezam-pahasoavana nankinina amintsika mba ahatonga antsika ho mahasoa amin'ireo manodidina antsika ary ho voninahitra ho an'ilay Mpahary antsika. This Day with God, p 68.

Ny andrasana aminao dia ny hanampy ny fiangonana hahay hitantana ireo harena efatra lehibe nomen'Andriamanitra ireo ary ny handefa ny tatitra aty amin'ny departemanta FIPIKRI FMC isan-telovolana amin'ny alalan'ny pasitoran'ny distrika.


Tari-dalana azonao rohizana eto:

- DINGANA AHATONGAVANA HO MPIANATRA ( D.A.M ): 26 Janoary - 16 Martsa 2013        

- FANOMEZAM-PAHASOAVANA

- MPANDRINDRA FI.PI.KRI DISTRIKA 

- TARI-DALANA HO AN'NY MPITAHIRY VOLA FIANGONANA

 - TARI-DALANA D-FI 5 (1 Septambra 2013)