ACTUALITES
« Ilay fanantenana lehibe »
« Ilay fanantenana lehibe ». Nandray anjara tamin’ny fitoriana ny filazantsara ihany koa ny ankizy tao Toamasina I sy II ary III eo amin’ny fandaminana asan’ny Fiangonana Advantista. « Asa fitoriana mipoaka ». Izay no namaritan’ny Pasitora Ranala Isaac, Filohan’ny departemantan’ny tanora ao amin’ny Federasiona Madagasikara Afovoany, an’ity fihetsehana natao tany Toamasina ity. « Feno fitoriana ny bokin’ny Apokalypsy ny fari-ponenana na ny quartiers rehetra tao amin’ny Renivohitr’Atsinanana », hoy ny fanazavany. « Nandray anjara betsaka ihany koa ny ankizy », hoy ihany ny tenany. |
Ny 17 ka hatramin’ny 29 Septambra no nanaovana io hetsika miaraka io. Naneho ny firaisan-kinany ny herivelon’ny Fiangonana. Batisa no nentina namaranana ny famelabelaran-kevitra ka 64 no vokatra tao Toamasina I, 54 tao Toamasina II ary 7 miampy 24 tao Toamasina III na ny distrikan'Ambatoharanana.
Ny Pasitora Ranala Isaac no nitarika ny tany an-toerana miaraka amin’ireo Filohan’ny Distrika isanisany. Tsy nohadinoiny ny nisaotra sy nankasitraka ireo niara-nientana ka nanaraka ny lamina rehetra izay napetraka.