|
Boky "Mby am-baravarana": Namoaka boky mitondra ny lohateny hoe: "Mby am-baravarana" ny Filohan’ny Fiangonana advantista maneran-tany, ny Pasitora Ted Neal Wilson. Ny Pacific Press and Publishing Association no nanao ny famoahana tamin’ny volana oktobra 2012. Mirakitra ireo toriteny vao haingana nataon’ny Pasitora Ted Neal Wilson ny boky “Mby am-baravarana” na ny “Almost Home” na ny “Presqu’à la maison”. Asongadina ao anatiny ny antso alefa amin’ny vahoakan’Andriamanitra mba hanolo-tena ho amin’ny asa fitoriana ny filazantsara sy hanao asa fanompoana ny hafa. Nanambara ny Pasitora Ted Wilson fa tsy nanana faniriana ny hanoratra boky ny tenany. Ny Pasitora, mpiara-miasa aminy, Mark Finley no nandresy lahatra azy. |
Miangavy ny mpamaky mba hanana fifohazana sy fanavaozana ny boky “Mby am-baravarana”. Manasa ny rehetra mba hifantoka amin’ny fiavian’I Kristy fanindroany ary manantitrantitra ny hafatry ny anjely telo izay hita ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Aseho ao anatiny ihany koa ny tokony ho fiheveran’ny mambran’ny fiangonana ny andraikiny ho fanafainganana ny fiverenan’I Jesosy Kristy. |
![]() |
"Antananarivo ho an'I KRISTY"
Ho isan’ny tanan-dehibe 650 hanaovana asa fitoriana manokana Antananarivo. Amin’ity taona vaovao 2013 ity no hanaovana hetsika. “Antananarivo ho an’I Kristy” no anarana nomena izany fitoriana ny filazantsara izany. (Tohiny...) |