![]() |
"ANTANANARIVO HO AN'I KRISTY" Ho isan’ny tanan-dehibe 650 hanaovana asa fitoriana manokana Antananarivo. Amin’ity taona vaovao 2013 ity no hanaovana hetsika. “Antananarivo ho an’I Kristy” no anarana nomena izany fitoriana ny filazantsara izany. Nambaran’ny Pasitora Ted Neal Wilson, tamin’ny filan-kevitra fanaon’ny Fiangonana Advantista maneran-tany farany teo, tany Etazonia, tamin’ny volana oktobra 2012, fa ny dimam-polo isan-jaton’ny mponina eto amin’izao tontolo izao no monina an-tanan-dehibe. Mila famonjena izy ireo satria maro ny rendrarendra sy kilalao ary fahazaran-dratsy mangeja azy ireo.
|
Ho an’ny fivondronam-ben’ny Fiangonana Advantista aty amin’ny Ranomasina Indiana dia nofidiana manokana Antananarivo. Ny 17 novambra 2012 dia nisy ny fisantarana ny fanentanana tamin’ireo distrika misy eto Antananarivo sy ny manodidina dia Ambohijafy, Ambohijanaka, Ambohimangakely, Ambohidroa, Ampangabe Ilafy, Androndra, Anosibe, Avaratetezana, Isotry, Ivato, Mandrosoa, Manjakaray, Soamanandrariny, ary Tanjonandriana. Novoriana hanatrika izany avokoa ny Pasitora, ny Loholona, ny filohan-tsampana ary ny mambra avy amin’ireo distrika ireo. Fantatra tamin’izany koa fa ny “fifohazana sy ny fiainana maha-kristiana” no lohahevitra manentana ny Fiangonana Advantista amin’izao manaraka izao. Nifanojo tamin’ny fivorian’ny komity faran’ny taona nataon’ny Union izany fanentanana izany. Nandray anjara tamin’ny fanofanana avokoa izy ireo. |
![]() |
Boky "Mby am-baravarana": Namoaka boky mitondra ny lohateny hoe: "Mby am-baravarana” ny Filohan’ny Fiangonana advantista maneran-tany, ny Pasitora Ted Neal Wilson. |