DEPARTEMANTA MIADIDY NY ANKIZY ( MINENF FMC)

Tompon'andraikitra:

Ps ANDRIAMALALA Sahondra 
-E-mail: sahtinza@yahoo.fr
     Tél: 033 02 282 89 


TENY BAIKO (mot d'ordre):

"Avelao ny zaza hanantona Ahy" (Jaona 21:15)

" Fahano ny ondrikeliko" (Marka 10:13,14)

TARIGETRA (devise):

Ankizy mifandray amin'i Jesosy: Miaina sy mizara ny fahamarinana.

IRAKA AMPANAOVINA (Mission):

Mikolokolo ny ankizy amim-pitiavana mba hananany fifandraisana akaiky amin'i Jesosy ary mananmpy azy ireo ho tonga olom-pirenena vanona ety an-tany sy ho vonona handova ny lanitra.

416s11id 

TANJONA:

1.  Ankizy voavolavola sy voahofana ara-panahy: any an-tokatrano sy ao am-piangonana.

2. Fiheverana, fandraisana tsara ny ankizy tsy ankanavaka ao am-piangonana: ankizy mahatsapa fitiavana, ankizy faly.

3. Fanomezana anjara ny ankizy amin'ny programa rehetra ao am-piangonana sy fampandraisana anjara mavitrika ny ankizy amin'ny asan'ny fiangonana, amin'ny asa eo anivon'ny fiaraha-monina, amin'ny asa fitoriana.

4. Fanofanana ny mpiandraikitra, Ray aman-dreny, ny mpanabe ny ankizy.

5. Famokarana, fanaparitahana fitaovana.

Jésus avec les enfants Banque d'images - 6213428

6. Fitarihana ny ankizy hahalala misimisy kokoa ny fiangonana: ny fampianarany, ireo tanjony sy ireo andraikiny.

7. Manomana ny ankizy mba hiatrika ireo fanapahan-kevitra: ara-panahy, ara-moraly manoloana ny fihaikan'ny fiainana.

8. Manomana ny ankizy mba ho olona manana ny mahaizy azy (ilaina) eo anivon'ny fianakaviana, ao am-piangonana sy eo anivon'ny fiaraha-monina.

9. Mamporisika ny ankizy hizara ny finoana amin'ny hafa.

 

"Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona" (Oha: 28:18)

Fahitana mazava (Vision Claire): Hahatanteraka ny VINA/ Résultat attendus

1. Ankizy mifandray amin'i Jesosy

  • Tia Azy
  • Tonga mpianany
  • Tia ny fiangonana

2. Ankizy miaina sy mizara ny Finoany / Fahamarinana.