Fanajana ny Toeram-pivavahana

 

Ny Kristiana izay mahatsapa ny herin'Andriamanitra tsy manam-petra, ny fahamasinany ary ny fitiavany dia haneho lalandava, amin'ny toe-javatra rehetra, na manao ahoana na manao ahoana, fanahy feno fanajana lalina an'Andriamanitra, ny teniny sy ny fiankohofana aminy. «Fanetren-tena sy fanajana no tokony hanamarika ny fihetsik'ireo rehetra izay manatona ny fanatrehan'Andriamanitra.» Patriarka sy Mpaminany, p. 252. Hanaiky izy ireo fa «ny ora sy ny toeram-pivavahana dia masina, satria eo Andriamanitra.» Gospel Workers, p. 178. Hiditra ao an-trano fivavahana izy, tsy toy ny olona tsy miraharaha, fa amin'ny fanahy misaintsaina lalina sy mivavaka, ary hiala amin'ny resadresa-poana.

 

Aoka ny ray aman-dreny, amin'ny alalan'ny fanajana asehony, hampianatra ny zanany ny fihetsika mendrika hatao ao an-tranon'Andriamanitra. (I Tim. 3: 15). Ny toro lalana mahatoky sy fifehezana ao an-tokantrano, any amin'ny Sekoly Sabata sy ao am-piangonana, natao nandritra ny andron'ny fahazazany sy ny fahatanorany mikasika ny fanajana an'Andriamanitra sy ny fivavahana aminy dia hanana akony maharitra eo amin'ny fatokiany mandritra ny taona iainany.

 

Ny pasitora izay mahatsapa ny fahamasinan’ny fanompoam-pivavahana atao amin’Andriamanitra dia hanao izay hitomboan’ny fanajana an’Andriamanitra, ny fahatsorana, ny filaminana tsara, ary fitondrantena mendrika ao am-piangonana, amin’ny alalan’ny ohatra omeny, sy ny fampianarana ataony, ary ny fihetsiny eny ambony polipitra. 

-RETOUR-