NY FILAMATRY NY FIAINANA KRISTIANA
Ny fahambonian’ny fiantsoan’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy
Ny fiainana kristiana dia tsy fanamboamboarana na fanatsarana fotsiny, fa fanovana tanteraka ny toetra amam-panahy. Izany dia midika fahafatesana ny amin'ny tena sy ny fahotana ary fitsanganana ho toy ny olom-baovao ao amin'i Kristy Jesosy.
- Ny Fianarana ny Baiboly sy ny Vavaka - Ny fifaneraserana eo amin’ny fiaraha-monina - Fanajana ny Toeram-pivavahana - Ny Fahasalamana sy ny Fahalalana Onony |
|
Amin'ny fijoroana eo anivon'ireo loza mandindona amin'ny andro farany, itambesaran'ny adidy hitory haingana ny antso farany ho amin'ny famonjena an'izao tontolo izao, ary eo am-piatrehana ny fitsarana izay hifarana amin'ny fampiorenana ny fahamarinana mandrakizay, andeha isika hanolotra ho an'Andriamanitra amin'ny fo marina, ny tena, ny aina ary ny fanahintsika, ary ho tapa-kevitra hitana mafy ireo fitsipi-piainana avo dia avo izay tsy maintsy hampiavaka an'ireo izay miandry ny fiverenan'ny Tompony.