Ny fifaneraserana eo amin’ny fiaraha-monina

 

Na dia “any an-danitra aza ny fanjakantsika, ary na avy koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo” (Fil 3:20), dia mbola eto amin’izao tontolo izao isika ka tsy afa-miala tsy ho anisan’ny fianakaviamben’ny fiaraha-monina ary tsy maintsy miara-mitondra andraikitra sasantsasany amin’ireo namantsika isika, manoloana ireo olana iombonana eo amin’ny fiainana. Na aiza na aiza onenantsika, amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika, dia aoka ho fantatra fa olom-pirenena miavaka isika amin’ny toetra kristiana mahatoky ananantsika sy amin’ny asa ataontsika ho fanasoavana ny besinimaro.

 

Marina fa ny adidintsika ambony indrindra dia manoloana ny Fiangonana sy ilay Iraky ny Filazantsara, kanefa isika dia tsy maintsy manohana ireo ezaka ara-dalàna ho fanatsarana sy fandaminan'ny fiaraha-monina isika amin'ny alalan'ny fanompoana sy ny fananana, raha mbola azo atao koa. Na dia tsy maintsy manalavitra ny adilahy politika sy ady ara-tsosialy rehetra aza isika, dia aoka kosa isika hijoro amim-pahatoniana sy amim-pahamatorana ary tsy azo hozongozonina amin'ny fitazonana ny rariny sy ny hitsiny eo am-panatontosana ny asa aman-draharaha ataontsika amin'ny maha-olom-pirenena antsika, ary ho mahatoky tanteraka amin'ny foto-pinoana arahintsika. Andraikitra masina mipetraka amintsika ny ho olom-pirenena mahatoky amin'ny fanjakana misy antsika ka «hanome ho an'i Kaisara izay an'i Kaisara sy ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.»

-RETOUR-