Ireo Haino aman-jery maoderna
Tahaka ny tenantsika ihany, dia mila sakafo mahasalama azy koa ny maha-isika antsika ao anaty ao mba hanavao sy hanome hery azy (II Kor. 4:6). Ny saintsika no mamaritra ny maha-olona antsika. Sarobidy indrindra ho an’ny fivelaran’ny toetrantsika sy ny fanatanterahantsika ny antom-pisiantsika ny sakafo amahanantsika ny saintsika. Izany no antony tokony hanombanantsika tsara ireo fahazarantsika ara-tsaina. Izay fidintsika hovakiana, hohenoina sy hojerena, na amin’ny boky izany, na gezetiboky, na fampielezam-peo, na fahitalavitra, na Internet, na haino aman-jefy maoderna hafa dia mamolavola ny toetrantsika sy miantraika aminy.
Ny boky sy ny lahatsoratra samihafa dia anisan’ny fitaovana sarobidy indrindra fanovozaa fanabeazana sy fahalalana, kanefa izy ireny dia tsy maintsy fantenana tsara sy ampiasaina araka ny tokony ho izy. Maro ireo asasoratra mahasoa, kanefa marobe toy izany koa ireo asasoratra, mazana manana endrika manintona, izay manimba ny saina sy ny môraly. Ny tantara feno herisetra sy fahalotoam-pitondran-tena, na tena zava-misy na noforonina, ary na amin’ny fomba ahoana na ahoana no anehoana azy, dia tsy sahaza ho an’ny kristiana na lehibe na tanora.
“Ireo izay mandefitra amin’ny fahazaran-drasty hankafy tantara manaitaitra ny filàna dia manimba tsotr’izao ny herin-tsainy, sady mandemy ny sainy tsy hanana fahavitrihana hahataka-davitra sy hikaroka intsony.”. – CT 135. Miaraka amin’ireo voka-dratsy ateraky ny fahazarana mamaky tantara foronina, dia lazaina amintsika fa izy ireny dia “mahatonga ny fanahy tsy ho afa- handinika ireo olana goavana momba ny adidy sy ny hoavy” ary “miteraka fahalainana hanatontosa ireo adidy eo amin’ny fiainana andavanandro.” – CT 383.
Ny fampielezam-peo sy ny fahitalavitra ary ny Internet dia nanova tanteraka ny rivo-piainan’izao tontolo moderna ivelomantsika izao, ary mampifandray antsika mora foana amin’ny fiainana, ny fisainana, sy ny fihetsiketsehana manerana ity planeta misy antsika ity. Izy ireny dia mety ho fitaovam-panabeazana lehibe tokoa izay ahafahantsika manitatra ny fahalalantsika ny zava-misy maneran-tany sy ahafahantsika manaraka ny fifanakalozan-kevitra manan-danja ary koa ny hira sy feon-java-maneno kanto indrindra.
Ny mampalahelo anefa, ny haino aman-jery maoderina dia mivimbina koa saiky tsy an-kiato ho an'ireo mpihaino sy mpijery azy ireo fampisehoana hery miasa mangina isan-karazany izay sady tsy mahasoa no tsy manondrotra ny saina amam-panahy. Raha toa ka tsy mahay manavaka ny soa sy ny ratsy isika ary tsy manana fahamatoran-tsaina, dia hampanjary toerana fampisehoana tantara an-dampihazo sy ho toeram-pijerena zava-tsy mendrika sy vetaveta ny tokantranontsika.
Ny ho fiarovana ny tenantsika sy ny zanatsika dia amin'ny fanapahan-kevitra matotra raisintsika, omban'ny fanampian' Andriamanitra, hanaraka ny toro hevitry ny apostoly Paoly manao hoe: «Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.» (Fil. 4: 8).