Ny Fahasalamana sy ny Fahalalana Onony

 

Tempolin’ny Fanahy Masina ny tenantsika (I Kor. 6:9). “Ny fahatanjahana ara-tsaina sy ara-panahy dia miankina be dia be amin’ny tanjaka ara-batana sy ny fampiasam-batana; izay rehetra mampandroso ny fahasalamana ara-batana dia mampandroso koa ny fahatanjahan’ny saina sy ny toetra mifandanja tsara”. – Ed 195

 

Izany no antony iainantsika am-pisainana mba hampifanaraka ny fiainantsika amin’ireo foto-kevitry ny fahasalamana momba ny fampiasan-tena, ny fisefoana, ny hazavan’ny masoandro, ny rivotra madio, ny fampiasana rano, ny torimaso, ary ny fialan-tsasatra. Noho ny foto-kevitra tanantsika dia mifisady isika ny hihinana sakafo mahasalama sy fomba fitafy mendrika, hiaina araka ny fahadiovana, ny fialam-boly sahaza, ary mifidy an-tsitrapo isika ny hiaina araka ireo foto-kevitry ny fahasalamana sy ny fifehezan-tena ary fomba sakafo ara-pahasalamana. Noho izany dia fadiantsika ny zava-pisotro misy alikaola amin’ny endriny rehetra, ny paraky sy ny sigara ary ireo zava-mahadomelina samihafa. Noho ny fitandroantsika ny fahatomombanan’ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-tsaina dia alavirintsika ny fanaovan-javatra tafahoatra rehetra.

 

Ny fanavaozana ara-pahasalamana sy ny fampianarana momba ny fahasalamana sy ny fahalalana onony dia tsy mahay misaraka amin'ny Hafatra Advantista. Nomena toro lalana tamin'ny alalan'ilay iraka manokana avy amin'Andriamanitra isika fa «ireo izay mitandrina ny didin'Andriamanitra dia tsy maintsy hanana fifandraisana masina aminy, ary amin'ny alalan'ny fahalalana onony eo amin'ny fihinanana sy ny fisotroana no hitehirizany ny sainy sy ny tenany ho tomombana tsara ho amin'ny fanompoana.» Counsels on Health, p. 132, 133. Ary koa, «ny fikendren'Andriamanitra dia ny hamerina ny hery miasa mangina avy amin'ny fanavaozana ara-pahasalamana ho anisan'ny ezaka lehibe farany amin'ny fitoriana ny filazantsara.» Medical Ministry, p. 259.

 

An'Andriamanitra isika, vatana, fanahy, ary saina. Noho izany dia adidintsika ara-pivavahana ny mankato ny lalàm-pahasalamana, mba ho fahasalamana sy fahasambarana ho antsika izany, ary koa hahazoantsika manao fanompoana mahavokatra kokoa ho an'Andriamanitra sy ny olombelona namantsika. Ny fitiavan-kanina dia tsy maintsy hofehezina... Andriamanitra dia nanome ny olombelona sakafo manana amby ampy isan-karazany izay sahaza hahafa-po ny ilaina rehetra momba ny fihinanana. Ny voankazo, ny voan-javatra, ireo karazam-boanjo, ny anana sy ny legioma samihafa raha voavotra amin'ny fomba tsotra ka «ampiarahina amin'ny ronono na herotra, dia ahazoana ny sakafo mahasalama indrindra.» Christian Temperance and Bible Hygiene, p. 47.

 

Rehefa arahina ireo filamatry ny fiainana ara-pahasalamana dia tsy ho tsapa ny filana ireo zavatra masiatsiaka sy manaitaitra. Ny fampiasana ny zava-mahamamo sy mahadomelina isan-karazany dia voararan'ny lalàn'ny zavaboary. Hatramin'ny fiandohan'izao fihetsehana izao, ny fifadiana ny alikaola sy ny paraky dia natao ho fepetra handraisana ny olona ho tonga mambran'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. (Izahao p. XX) <A85>

 

Nomen'Andriamanitra fahazavana lehibe momba ny foto-kevitra ara-pahasalamana isika, ary ireo fikarohana ara-tsiansa atao ankehitriny dia nampibaribary ny fahamarinan'ireny foto-kevitra ireny.  

-RETOUR-