Ny Fahatsorana

 

Ny fahatsotsorana dia marika fototra hita teo amin'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito hatramin'ny niorenany. Tsy maintsy ho tso-piaina sy fihetsika lalandava isika. Ny fitiavan-kisehoseho amin'ny ara-pivavahana dia mifanindran-dalana mandrakariva amin'ny fitambotsoran'ny hery ara-panahy. «Tahaka ny fiainan'i Jesosy izay nifanohitra tanteraka» tamin'ny rendrarendra sy ny fidedadedahana tamin'ny androny (Education, p. 87), ka tahaka izany koa ny fahatsorana sy ny herin'ny Hafatra Advantista dia tsy maintsy hifanohitra tanteraka amin'ny fitadiavan-kisehoseho misy eto amin'izao tontolo izao amin'ny androntsika ankehitriny. Ny Tompo dia manameloka «ireo fandaniam-bola mihoa-pampana sady tsy ilaina izay enti-manome fahafaham-po ny fiavonavonana sy ny fitiavan-kideradera.» Testimonies to Ministers, p. 179. Mba hanarahana izany foto-kevitra izany, dia aoka hisy fahatsorana sy fitsitsiana amin'ny lanonana fizarana diplaoma, ny fankalazana fanambadiana atao amin'ny fiangonantsika, sy amin'ny fanompoam-pivavahana rehetra.

-RETOUR-