Ny Fialam-boly

 

Ny fialam-boly dia voakendry ho famelombelomana ny herin'ny vatana sy ny saina. Ny saina matanjaka sy salama dia tsy mitaky ireo karazan-daolao eo amin'izao tontolo izao, fa hanovo hery vaovao kosa amin'ny fialam-boly mahasoa.

 

«Na dia eo amin'ireo izay milaza azy ho Kristiana aza, dia mitovy amin'ny an'ny jentilisa ny zava-kendreny eo amin'ny ankamaroan'ny fialam-boly fanao amin'izao andro izao. Vitsy foana amin'izy ireny no mba tsy ampiasain'i Satana handringanana fanahy. Efa an-jato taona maro no nampiasany ny teatra handrehitra ny filan'ny nofo sy hankalazana ny faharatsiana. Ataony fiasana koa ireo fampisehoana lehibe sy ny feon-java-maneno maharenoka hiraina ao amin'ny teatra. Lanonana sy dihy ary lalao karatra no entiny mampilefitra ireo fiarovana ny saina mba hanokafam-baravarana hidiran'ny filan-dratsy. Amin'ireo fanalan'andro rehetra izay anjakan'ny fireharehana sy ny filan'ny tenda, ary hanadinoana an'Andriamanitra sy ny zavatra mandrakizay, dia ahitana an'i Satana manefy gadra mba handrohizany ny olona.» Patriarka sy Mpaminany, p. 480, 481. (Izahao p. XX). <A86>

 

Tsy maintsy halavirintsika ireo horonan-tsary ampisehoana amin'ny fomba mibaribary, na mamohafoha ao amin'ny fisainana aman'eritreritra ireo fahotana sy heloka bevava vitan'ny zanak'olombelona -vonoan'olona, fijangajangana, halatra, sy zava-dratsy isan-karazany iray kilasy amin'izany - izay manana anjara lehibe amin'ny fitontonganana ara-pitondrantena amin'izao andro ankehitriny izao. Fa aoka isika hahita fahafinaretana amin’ny zavaboary midadasika nataon’Andriamanitra sy amin’ny tantara mampientanentan’ireo olona nampiasainy ary amin’ny asa nataon’Andriamanitra.

 

Ny fialam-boly iray hafa koa izay mitaona ho amin'ny ratsy dia ny fandihizana. «Ny fialam-boly amin'ny fandihizana araka izay anaovana izany ankehitriny, dia sekolim-pahalotoana sy ozona mandoza ny fiaraha-monina.» – MYP 399. (Jereo II Kor. 6:15-18; I Jao. 2:15-17; Jak. 4:4; II Tim. 2:19-22; Efes. 5:8-11; Kol. 3:5-10).

 

Tena zava-dehibe ny fialam-boly. Kanefa aoka isika tsy hikambana amin’ireo marobe izay “tia fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra” (II Tim. 3:4), fa hanao an’i Kristy sy ny Fiangonana ho ivon’ ny fisakaizantsika sy ny fialam-bolintsika. 

-RETOUR-