Ny Fianarana ny Baiboly sy ny Vavaka

masai_bible.jpg

 Ny fiainana ara-panahy dia tohanan’ny sakafo ara-panahy. Tsy maintsy kolokolointsika ny fahazarana mandinika ny Baiboly omban’ny fanoloran-tena, sy ny vavaka, raha tiantsika ny hahatanteraka ny fahamasinantsika. Amin’izao andro ankehitriny izao izay ahitantsika fa manenika ny pejy voasoratra, ny radio, ny televiziona, ny internet, ary fitaovana moderna hafa hifandraisana amin’ny vahoaka ny safo-dranon’ny serasera, ka feo an’arivorivony no miangavy mba hohenoina, dia adidintsika ny manampi-maso sy manampi-tsofina amin’ny ankamaroan’izy ireo izay mitady hibosesika ao an-tsaintsika, ary hanokan-tena ho amin’ilay bokin’Andriamanitra, ilay Bokin’ny boky rehetra, ilay Bokin’ny fiainana – dia ny Baiboly izany. Raha mijanona tsy ho vahoakan’ny Boky intsony isika, dia ho very isika, ary tsy hahomby ny iraka nampanaovina antsika. Amin’ny alalan’ny firesahantsika amin’Andriamanitra isan’andro amin’ny vavaka sy fihainoantsika ny feony irery ihany, no hahafahantsika manantena ny hivelona amin’ilay “fiainana voafina miaraka amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra” (Kol. 3:3) sy hahavita ny asany. DHK 114
Ny vavaka dia resaka ifanaovana amin’Andriamanitra, ka amin’izany dia mihaino an’Andriamanitra sady miteny Aminy koa. “Ny vavaka dia famborahana amin’Andriamanitra ny ao am-po toy izay atao amin’ny sakaiza” – SC 93. “Amin’ny alalan’ny fivavahana amin’ny fo no ampiraisana antsika amin’ny sain’Ilay tsy voafetra,” ary “raha tsy mivavaka tsy mitsahatra sy mazoto miambina isika, dia itataovan-doza isika avy amin’ny tsy firaihana mitombo sy ny fialana amin’ny làlana marina”. – SC 97, 95.

Ny tokantrano no vato fehizoron'ny Fiangonana, ary ny tokantrano kristiana dia trano fivavahana. «Ry ray sy reny ô», hoy ny Fanahin'ny faminaniana, «na mahamaika manao ahoana ny asa aman-draharahanareo, dia aza atao an-tsirambina ny fanangonana ny ankohonanareo manodidina ny alitaran'Andriamanitra... Izay te hanana fiainana feno faharetana, fitiavana sy fifaliana dia tsy maintsy mivavaka.»Tanamasoandron'ny  fahasalamana, p. 322.

 
   

-RETOUR-