Ny Fitafy

 

Amin'ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro fahafito antsika dia nantsoina hiala avy amin'izao tontolo izao isika. Mpanitsy ny tsy mety isika. Ny fivavahana marina izay tafatsofoka amin'ny lafim-piainana rehetra dia tsy maintsy manana ny fiantraikany amin'ny fanao amam-pihetsitsika rehetra. Ny fomba mahazatra antsika eo amin'ny fiainana dia tsy maintsy mipoitra avy amin'ny filamatra mitoetra fa tsy avy amin'ny ohatra omen'izao tontolo izao manodidina antsika. Mety miovaova araka ny taona ny fomba sy ny lamaody, fa ny filamatra ara-pitondrantena kosa dia mitomoetra tsy manam-piovana. Ny fomba fitafy dia manan-toerana lehibe eo amin'ny toetran'ny Kristiana. Teo am-piandohan'ny tantaran'ny fiangonantsika dia nomena toro lalana momba izay tokony ho fomba fitafy kristiana isika, ka ny anton'izany dia ny mba hiarovana ny vahoakan'Andriamanitra tsy ho voataonan'ny hery mandoto eo amin'izao tontolo izao ary koa mba hahazoana mampivoatra ny fahasalamana ara-batana sy ara-pitondran-tena.” 4T 634.  Manoro hevitra ihany koa izy fa tokony halavirintsika fitafy diso marevaka loatra sy haingokaingo «mihoapampana amin'ny hamaroany». Ny fitafiana araka izay azo atao dia aoka ho vita amin'ny lamba mihaja sady mahamendrika ny lokony ary mifanaraka tsara amin'ny fotoana ampiasana azy. Aoka ny fahatezany no hojerena alohan'ny firentirentiny. Aoka ny fomba fitafintsika hiavaka amin'ny «hatsaran-tarehiny», «ny hasoany misy hamaotinana», ary «manendrika noho ny fahatsorany mahafinaritra» – MYP 351, 352.

 

Aoka ny vahoakan'Andriamanitra ho hita lalandava eo amin'ny laharan'ireo maotona amin'ny fomba fitafy, ary tsy hamela ny «fiakanjoana hameno ny fisainany» – EV 273.

 

“Ny manao fitafiana tsotra ary mifady ny fieboeboana amin'ny alalan'ny firavaka sy ireo haingokaingo isan-karazany dia mifandrindra tsara amin'ny finoantsika.» Testimonies, vol. 3, T. 166. Ampianarina mazava ao amin'ny Soratra Masina fa ny fitondrana firavaka dia mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra. «Fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena na vato soa, na fitafiana sarobidy», hoy ny fananarana omen'ny apostoly Paoly. (I Tim. 2: 9). Ny fanaovana firavaka dia ezaka atao hisintonana ny mason'ny mpijery hifantoka amin'ny tena ka tsy mifanaraka amin'ny fanetren-tena kristiana.

Any amin'ny tany sasany ny fitondrana peratra mariazy dia heverina ho zavatra tsy maintsy atao, ka amin'ny fisainan'ny olona dia famantarana ny hatsaram-pitondrantena izany, ka araka izany tsy heverina ho fihaingoana. Amin'ny toe-javatra toy izany, dia tsy manana firehana hanameloka io fomba io isika.

Aoka hotsarovantsika fa tsy ny «firavahana ivelany» no mampiseho ny tena toetra kristiana marina fa «ny toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana, no soa indrindra eo imason'Andriamanitra» (I Pet. 3: 3, 4). Ny fampiasana ireo «kihosotrosotra» tsy mifanaraka amin'ny fahaiza-mihaingo manendrika sy ireo filamatry ny fahamaotinana kristiana, dia tokony hofadina. Ny fahadiovana sy ny fihetsika maha-mendrika araka an'i Kristy dia tokony hotandrovina tsara mbamin'ny fikojakojana ny tena izay ikatsahana amin'ny fotoana rehetra ny hahafaly an'i Kristy Tompontsika sy ho fanehoana ny hatsarany.

 

Aoka ny ray aman-dreny kristiana hampisy lanjany ny fahefany sy ny toro-marika omeny amin'ireo zanany lahy sy zanany vavy amin'ny alalan'ny ohatra asehony, ka hanao fitafiana mitory fahamaotinana, ary amin'izany no hahazoan'izy ireo ny haja amam-pitokisan'ireo izay mahafantatra azy. Aoka rehefa mahatanteraka izay takin'ny fahamaotinana ihany amin'ny fanaovany fitafiana manendrika sady tsy maningana ny mambra ao amintsika vao hihevitra ny tenany ho miakanjo tsara.

-RETOUR-