Ny Fitandremana ny Sabata

 

Ny Sabata dia famantarana ny fitiavan’Andriamanitra ny taranak’olombelona. Tsangambaton'ny herin'Andriamanitra namoronany izao tontolo izao tamin'ny voalohany izany ary koa famantarana ny heriny hahary indray ny fiainana sy hanamasina azy (Ezek. 20 12), ka ny fitandremana izany dia fanehoana mibaribary ny fahitsiantsika sy ny firaisantsika Aminy.

 

Mitana toerana manokana eo amin’ny fiainantsika ny Sabata. Ny andro fahafito amin’ny herinandro, manomboka ny Zoma maty masoandro ka hatramin’ny Sabotsy maty masoandro (Lev 23:32), dia fanomezana avy amin’Andriamanitra, sady famantarana ny fahasoavany tsy mety diso fotoana Ny Sabata dia tombontsoa ho antsika, fotoana manokana ifanomezantsika amin’Ilay tia antsika sady tiantsika koa, fotoana masina natokan’ny lalàn’Andriamanitra mandrakizay, androm-piravoravoana natao hiankohofana amin’Andriamanitra sy hifampizarana amin’ny hafa (Isa 58:13). Am-pifaliana sy am-pankasitrahana no andraisantsika ny Sabata.

 

“Aoka re hatao ho andro mamy indrindra sy mahasambatra indrindra amin’ny herinandro ny Sabata!” – FLB 36.

 

“Fotoanan’Andriamanitra ny Sabata, fa tsy antsika; rehefa dikaintsika izany, dia mangalatra izay an’Andriamanitra isika... Nomen’Andriamanitra antsika ny henemana manontolo mba hanaovantsika ny asantsika, fa andro iray monja no mba natokany ho Azy. Tokony ho androm-pitahiana ho antsika io andro io –dia andro izay hialantsika amin’ny raharahantsika ara-nofo mba hifantohan’ny eritrerintsika amin’Andriamanitra sy ny lanitra.” – HP 152.

 

“Aoka tsy hampianarintsika ny zanatsika fa tsy mahazo mifaly izy ireo amin’ny andro Sabata, aoka tsy hampianarintsika azy ireo fa tsy mety ny mivoaka ny trano rehefa Sabata. Tsia dia tsia tokoa!. Kristy dia nitondra ny mpianany nankeny amoron’ny farihy tamin’ny andro Sabata, ary nampianatra azy ireo teny.. Tsy nataony tao anaty rindrina efatra avokoa ny toriteny nataony tamin’ny andro Sabata”. – HP 152.

 

“Noferan’Andriamanitra ny zava-takian’ny asan’olombelona. Apetrany eo amin’ny Sabata ny tànany mpamindra fo. Ilay andro izay Azy manokana dia natokany ho fotoana hahafahan’ny fianakaviana miaina ny fiombonana Aminy sy eo amin’izy samy izy.” – Ed 251.

 

An'Andriamanitra ireo oran'ny Sabata, ary natao hampiasaina ho Azy irery ihany. Ny fahafinaretan'ny tenantsika, ny tenintsika, ny asa aman-draharahantsika, ny fisainantsika dia tsy tokony hanan-toerana eo amin'ny fitandremana ny andro masin' Andriamanitra (Isa. 58: 13). Aoka hivory ny ankohonana amin'ny filentehan'ny masoandro ary hiarahaba ny Sabata masina amin'ny vavaka sy ny hira, ary aoka hofaranantsika amin'ny fivavahana sy ny fanehoam-pankasitrahana Azy koa noho ny fitiavany mahagaga izany andro izany. Ny Sabata dia andro manokana natao hivavahana na ao an-tokantrano na any am-piangonana, andro natao hiravoravoantsika mbamin'ny zanatsika, andro natao hahafantarana bebe kokoa an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fianarana ny Baiboly sy ny lesona raketin'ilay boky lehiben'ny zavaboary. Fotoana famangiana koa ny marary izany sy fanaovana asa famonjem-panahy. Ireo asa aman-draharaha fanao mahazatra mandritra ny enin'andro fiasana dia tokony havela. Aoka tsy hisy raharaha azo ampiandrasina na sorohina hatao amin'izay. Ny famakiana ireo boky aman-gazety momba izao fiainana izao mbamin'ny fihainoana radio (sy fijerena fahitalavitra) dia tsy tokony hanelingelina ny fotoanantsika mandritra ny andro masin'Andriamanitra.

 

«Ny Sabata dia tsy natao ho fotoana fidonanaham-poana. Raran'ny lalàna ny asa momba izao fiainana izao amin'ilay andro fitsaharan'ny Tompo; ny asa fitadiavam-pivelomana dia aoka hatsahatra; ny raharaha fitadiavam-pahafinaretana araka an'izao tontolo izao na hahazoana tombom-barotra dia tsy tandrify hatao amin'io andro io; fa toa an'Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asa famoronana nataony ary niala sasatra tamin'ny Sabata sy nitahy azy, dia toy izany koa ny olona, hampijanona ny asa aman-draharaha fanaony andavanandro izy, ary hanokana ireo ora masina ireo ho fitsaharana mahasalama, hivavahana, sy hanaovana asa masina.» Ilay Fitiavana mandresy, p. 207.

 

Ny fandaharana voavolavola tsara ka mifanaraka amin'ny fanahin'ny fitandremana ny Sabata dia hahatonga an'io andro io ho andro mahasambatra sy kanto indrindra amin'ny herinandro manontolo, na ho an'ny tenantsika izany, na ho an'ny zanatsika - ho santatr'ilay fitsaharana any an-danitra tokoa.

-RETOUR-