Ny Hira sy ny zava-maneno

 

«Ny mozika dia natao hanana fikendrena masina, ho fanandratana ny fisainana ho amin'izay madio, mendrika sy manondrotra ho amin'ny avoavo kokoa, ary hoentina amohafoha fitiavam-bavaka ao amin'ny fanahy sy fisaorana an'Andriamanitra.» Patriarka sy Mpaminany, p. 594. “Niray tamin’ny lanitra tamin’ny alalan’ny hira Jesosy”. – IFM p. 61.

 

Anankiray amin’ny zava-kanto indrindra ny hira sy mozika. Tsy mitondra fahafinaretana ihany ny hira sy mozika tsara fa sady manandratra ny saina no manolokolo ny hatsaran-toetra ambony indrindra. Ny tonon-kiram-panahy dia matetika no nampiasain’Andriamanitra hanohinana ny fon’ny mpanota sy hitarika ho amin’ny fibebahana. Mifanohitra amin’izany kosa, ny mozika tsy mendrika dia mandrodana ny fefy fiarovana ara-môraly ary mitarika antsika hanalavitra an’Andriamanitra.

 

Aoka isika ho malina fatratra amin’ny fifidianana ny mozika hohenoina ao an-tokantranontsika, any amin’ny fivoriana eo anivon’ny fiaraha-monina, any an-tsekoly, ary any am-piangonana. Ny feon-kira rehetra manana endriky ny jazz, ny rock, na izay manana endrika mifanahatahaka amin’ireny, ary koa ny fiteny adaladala maneho fihetseham-po tsy maotina, dia tokony holavina. (Izahao p. XX). <A87>

-RETOUR-