Ireo fampianarana fototra inoan’ny Fiangonana Advantista Mitandrina
ny Andro Fahafito
Ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia manaiky ny Baiboly ho hany fiorenan'ny finoana arahiny ary mitana foto-pinoana sasantsasany ho fampianaran'ny Soratra Masina. Izany foto-pinoana izany, izay velabelarina etoana, no fomba andraisan'ny Fiangonana sy anehoany ny fampianaran'ny Soratra Masina. Ny hanavaozana an'ireto fanambarana ireto dia azo ampoizina hataon'ny Fivoriamben'ny Foibem-pitondrana raha tarihin'ny Fanahy Masina ho amin'ny fahafantarana lalindalina kokoa ny fahamarinana araka ny Baiboly ny Fiangonana, na mahita fomba fitenenana mazavazava kokoa hoenti-manambara ny fampianaran'ny Teny Masin'Andriamanitra.
2. Andriamanitra telo izay iray 4. Ny zanaka 9.Ny fiainan'i Kristy, ny fahafatesany, ary ny fitsanganany tamin'ny maty 10.Ny fanandramana ny famonjena 11.Mitombo ao amin'i Kristy 12.Ny Fiangonana 13.Ny sisa sy ny iraka anirahana azy 14.Firaisana ao amin'ny tenan'i Kristy 15.Ny Batisa 16.Ny fanasan'ny Tompo 17.Ny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina sy ny asa fanompoana 18.Ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana 19.Ny Lalàn'Andriamanitra 20.Ny Sabata 21.Ny fitandremam-pananana 22.Ny toetra sy fihetsika Kristiana 23.Ny fanambadiana sy ny ankohonana 24.Ny asan'i Kristy ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra 25.Ny fiavian'ni Kristy fanindroany 26.Ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin'ny maty 27.Ny arivo taona sy ny famaranana ny fahotana 28.Ny tany vaovao
|
8. Ilay fifanandrinana lehibe Apok. 12:4-9; Is.14:12-14; Ezek. 28:12-18; Gen.3; Rom.1:19-32; 5:12:-21; 8:19-22; Gen.6-8; 2Pet.3:6; I Kor .4:9; Heb.1:14 Ny taranak'olombelona manontolo ankehitriny dia voafaoka ao amin'ilay
ady goavana ifanaovan'i Kristy sy i Satana mikasika ny toetran'Andriamanitra,
ny lalàny, ary ny fahefany hanapaka ny tontolo rehetra. Tany an-danitra no
niandohan'izany ady izany raha nanjary Satana, fahavalon'Andriamanitra ity
voary anankiray izay nomena ny fahaiza-misafidy. Ny fahambonian-tena no
niteraka izany. Ary dia notaominy hikomy ihany koa ny sasany tamin'ny anjely.
Nampiditra ny fanahin'ny fiodinana teto amin'izao tontolo izao izy raha nitaona
an'i Adama sy Eva hanota. Izany fahotan'ny olombelona izany dia nanova ny
endrik'Andraimanitra ao amin'ny olona, niteraka fikorontanana teo amin'izao
tontolo izao ary nony ela dia nahatonga ny fandravana tamin'ny Safo-drano.
Ity tany ity izay ifantohan'ny fijerin'ny voary manontolo, dia tonga saha isehoan'ny
ady mahenika izao tontolo izao, ady izay hahazoan'Andriamanitra fitiavana ny
fandresena ka hanekena Azy ho marina amin'ny farany. Mba ho fanampiana ny
olony amin'izao ady izao, dia maniraka ny Fanahiny Masina sy ireo anjely mahatoky
Kristy mba hitari-dalana, hiaro, ary hanohana azy ireo eo am-pizorana amin'ny lalam-pamonjena.
"Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao" Salamo 119:105
|
|