Ireo fampianarana fototra inoan’ny Fiangonana Advantista Mitandrina

ny Andro Fahafito

Ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia manaiky ny Baiboly ho hany fiorenan'ny finoana arahiny ary mitana foto-pinoana sasantsasany ho fampianaran'ny Soratra Masina. Izany foto-pinoana izany, izay velabelarina etoana, no fomba andraisan'ny Fiangonana sy anehoany ny fampianaran'ny Soratra Masina. Ny hanavaozana an'ireto fanambarana ireto dia azo ampoizina hataon'ny Fivoriamben'ny Foibem-pitondrana raha tarihin'ny Fanahy Masina ho amin'ny fahafantarana lalindalina kokoa ny fahamarinana araka ny Baiboly ny Fiangonana, na mahita fomba fitenenana mazavazava kokoa hoenti-manambara ny fampianaran'ny Teny Masin'Andriamanitra.   


1. Ny Soratra Masina          

2. Andriamanitra telo izay iray

3. Andriamanitra Ray

4. Ny zanaka

5. Ny Fanahy Masina

6. Ny Famoronana

7. Ny toetran'ny olombelona

8. Ilay fifanandrinana lehibe

9.Ny fiainan'i Kristy, ny fahafatesany,

  ary ny fitsanganany tamin'ny maty

10.Ny fanandramana ny famonjena

11.Mitombo ao amin'i Kristy

12.Ny Fiangonana

13.Ny sisa sy ny iraka anirahana azy

14.Firaisana ao amin'ny tenan'i Kristy

15.Ny Batisa

16.Ny fanasan'ny Tompo

17.Ny fanomezam-pahasoavan'ny

Fanahy Masina sy ny asa fanompoana

18.Ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana

19.Ny Lalàn'Andriamanitra

20.Ny Sabata

21.Ny fitandremam-pananana

22.Ny toetra sy fihetsika Kristiana

23.Ny fanambadiana sy ny ankohonana

24.Ny asan'i Kristy ao amin'ny

 Fitoerana Masina any an-danitra

25.Ny fiavian'ni Kristy fanindroany

26.Ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin'ny maty

27.Ny arivo taona sy ny famaranana ny fahotana

28.Ny tany vaovao        

 

 

          

 |  |                                                                        010101

5.  Ny Fanahy Masina

Gen.1:1,2; Lioka 1:35; 4:18; Asa 10:38; 2Pet.1:21; 2Kor. 3:18; Efes. 4:11,12;Asa 1:8; Jaona 14:16-18,26; 15: 26,27; 16: 7-13 


Andriamanitra Fanahy mandrakizay dia niara-niasa tamin'ny Ray sy ny Zanaka
tamin'ny famoronana, niara-niasa ihany koa tamin'ny fahatongavan'ny Zanaka
ho nofo sy ny fanavotana. Izy no nanome tsindrimandry ny mpanoratra ny
Soratra Masina. Nameno hery ny fiainan'i Kristy Izy. Mitaona ny olona sy
mampiaiky azy ny fahotana Izy, ary izay mamaly ny antsony dia havaoziny sy
ovany ho araka ny endrik'Andriamanitra. Nirahin'ny Ray sy ny Zanaka mba ho
eo amin'ny zanany mandrakariva Izy, ka mizara ny fanomezam-pahasoavana
ara-panahy amin'ny Fiangonana ary manome hery azy amin'izany hijoroany ho
vavolombelon'i Kristy. Ny fanahy masina mifanaraka amin'izay voalazan'ny
Soratra Masina, dia mitarika ny Fiangonana ho amin'ny marina rehetra. 

                                            

                                  "Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao"

                                                                        Salamo 119:105