Ireo fampianarana fototra inoan’ny Fiangonana Advantista Mitandrina

ny Andro Fahafito

Ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia manaiky ny Baiboly ho hany fiorenan'ny finoana arahiny ary mitana foto-pinoana sasantsasany ho fampianaran'ny Soratra Masina. Izany foto-pinoana izany, izay velabelarina etoana, no fomba andraisan'ny Fiangonana sy anehoany ny fampianaran'ny Soratra Masina. Ny hanavaozana an'ireto fanambarana ireto dia azo ampoizina hataon'ny Fivoriamben'ny Foibem-pitondrana raha tarihin'ny Fanahy Masina ho amin'ny fahafantarana lalindalina kokoa ny fahamarinana araka ny Baiboly ny Fiangonana, na mahita fomba fitenenana mazavazava kokoa hoenti-manambara ny fampianaran'ny Teny Masin'Andriamanitra.   


1. Ny Soratra Masina          

2. Andriamanitra telo izay iray

3. Andriamanitra Ray

4. Ny zanaka

5. Ny Fanahy Masina

6. Ny Famoronana

7. Ny toetran'ny olombelona

8. Ilay fifanandrinana lehibe

9.Ny fiainan'i Kristy, ny fahafatesany,

  ary ny fitsanganany tamin'ny maty

10.Ny fanandramana ny famonjena

11.Mitombo ao amin'i Kristy

12.Ny Fiangonana

13.Ny sisa sy ny iraka anirahana azy

14.Firaisana ao amin'ny tenan'i Kristy

15.Ny Batisa

16.Ny fanasan'ny Tompo

17.Ny fanomezam-pahasoavan'ny

Fanahy Masina sy ny asa fanompoana

18.Ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana

19.Ny Lalàn'Andriamanitra

20.Ny Sabata

21.Ny fitandremam-pananana

22.Ny toetra sy fihetsika Kristiana

23.Ny fanambadiana sy ny ankohonana

24.Ny asan'i Kristy ao amin'ny

 Fitoerana Masina any an-danitra

25.Ny fiavian'ni Kristy fanindroany

26.Ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin'ny maty

27.Ny arivo taona sy ny famaranana ny fahotana

28.Ny tany vaovao        

 

 

          

 |  |                                                                                      010101

6.  Ny famoronana

Gen. 1: 2; Eks. 20: 8-11; Sal. 19: 1-6; 33: 6, 9; 104; Heb. 11: 3


Andriamanitra no Mpamorona ny zavatra rehetra, ary nanambara ao amin'ny
Soratra Masina ny tantara marin'ny asa famoronana nataony. Tao anatin'ny
henemana no «nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany» ary ny zavamananaina
rehetra ety ambonin'ny tany ary nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafiton'ny
herinandro voalohany. Tamin'izany no nanendreny ny Sabata ho tsangambato
mandrakizain'ny asa famoronana tanteraka nataony. Ny lehilahy voalohany sy ny
vehivavy voalohany dia noforoniny araka ny endrik'Andriamanitra ho sangan'asan'ny
Famoronana, nomeny azy ireo ny fanapahana an'izao tontolo izao, ary napetrany
taminy ny andraikitra hikarakara azy. Rehefa vita izao tontolo izao dia «tsara indrindra izany», nampiseho ny voninahitr'Andriamanitra. 

                                            

                                  "Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao"

                                                                        Salamo 119:105