Ireo fampianarana fototra inoan’ny Fiangonana Advantista Mitandrina

ny Andro Fahafito

Ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia manaiky ny Baiboly ho hany fiorenan'ny finoana arahiny ary mitana foto-pinoana sasantsasany ho fampianaran'ny Soratra Masina. Izany foto-pinoana izany, izay velabelarina etoana, no fomba andraisan'ny Fiangonana sy anehoany ny fampianaran'ny Soratra Masina. Ny hanavaozana an'ireto fanambarana ireto dia azo ampoizina hataon'ny Fivoriamben'ny Foibem-pitondrana raha tarihin'ny Fanahy Masina ho amin'ny fahafantarana lalindalina kokoa ny fahamarinana araka ny Baiboly ny Fiangonana, na mahita fomba fitenenana mazavazava kokoa hoenti-manambara ny fampianaran'ny Teny Masin'Andriamanitra.   


1. Ny Soratra Masina          

2. Andriamanitra telo izay iray

3. Andriamanitra Ray

4. Ny zanaka

5. Ny Fanahy Masina

6. Ny Famoronana

7. Ny toetran'ny olombelona

8. Ilay fifanandrinana lehibe

9.Ny fiainan'i Kristy, ny fahafatesany,

  ary ny fitsanganany tamin'ny maty

10.Ny fanandramana ny famonjena

11.Mitombo ao amin'i Kristy

12.Ny Fiangonana

13.Ny sisa sy ny iraka anirahana azy

14.Firaisana ao amin'ny tenan'i Kristy

15.Ny Batisa

16.Ny fanasan'ny Tompo

17.Ny fanomezam-pahasoavan'ny

Fanahy Masina sy ny asa fanompoana

18.Ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana

19.Ny Lalàn'Andriamanitra

20.Ny Sabata

21.Ny fitandremam-pananana

22.Ny toetra sy fihetsika Kristiana

23.Ny fanambadiana sy ny ankohonana

24.Ny asan'i Kristy ao amin'ny

 Fitoerana Masina any an-danitra

25.Ny fiavian'ni Kristy fanindroany

26.Ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin'ny maty

27.Ny arivo taona sy ny famaranana ny fahotana

28.Ny tany vaovao            

                  

 

 

 

 

 

          

 |  |                                                                                               010101

4.  Ny zanaka

Jaona 1:1-3,14; Kol.1:15-19; Jaona 10:30; 14:9; Rom.6:23; 2Kor.5:17-19; Jaona 5: 22

Lioka 1: 35; Fil. 2:5-11; Heb.2:9-18; I Kor .15:3,4; Heb. 8: 1,2; Jaona 14:1-3


Andriamanitra Zanaka mandrakizay dia tonga nofo tao amin’i Jesosy Kristy.
Tamin’ny alalany no nahariana ny zavatra rehetra, anehoana
ny toetran’Andriamanitra, anatontosana ny famonjena ny taranak’olombelona
ary itsarana izao tontolo izao.Tena Andriamanitra mandrakizay Izy, ary tonga
tena olombelona koa, Jesosy Izay Kristy. Notorontoronina tamin’ny herin’ny
Fanahy Masina Izy ary naterak’i Maria virijiny. Araka ny maha-olona Azy,dia
velona sy nalaim-panahy Izy,kanefa nanome ohatra tonga lafatra ny
fahamarinana sy ny fitiavana an’Andriamanitra.Tamin’ny alalan’ny fahagagana
nataony no nanehoany ny herin’Andriamanitra ary nambara ho Ilay Mesia
nampanantenain’Andriamanitra. Nijaly sy maty an-tsitrapo teo amin’ny hazo
fijaliana noho ny fahotantsika ary nisolo toerana antsika Izy, natsangana
tamin’ny maty, ary niakatra hanao fifonana ho antsika any amin’ny fitoerana
masina any an-danitra. Ho avy indray amim-boninahitra Izy hanafaka farany ny olony sy hampody ny zavatra rehetra amin’ny laoniny. 

                                            

                                  "Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao"

                                                                        Salamo 119:105