Ireo fampianarana fototra inoan’ny Fiangonana Advantista Mitandrina
ny Andro Fahafito
Ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia manaiky ny Baiboly ho hany fiorenan'ny finoana arahiny ary mitana foto-pinoana sasantsasany ho fampianaran'ny Soratra Masina. Izany foto-pinoana izany, izay velabelarina etoana, no fomba andraisan'ny Fiangonana sy anehoany ny fampianaran'ny Soratra Masina. Ny hanavaozana an'ireto fanambarana ireto dia azo ampoizina hataon'ny Fivoriamben'ny Foibem-pitondrana raha tarihin'ny Fanahy Masina ho amin'ny fahafantarana lalindalina kokoa ny fahamarinana araka ny Baiboly ny Fiangonana, na mahita fomba fitenenana mazavazava kokoa hoenti-manambara ny fampianaran'ny Teny Masin'Andriamanitra.
2. Andriamanitra telo izay iray 4. Ny zanaka 9.Ny fiainan'i Kristy, ny fahafatesany, ary ny fitsanganany tamin'ny maty 10.Ny fanandramana ny famonjena 11.Mitombo ao amin'i Kristy 12.Ny Fiangonana 13.Ny sisa sy ny iraka anirahana azy 14.Firaisana ao amin'ny tenan'i Kristy 15.Ny Batisa 16.Ny fanasan'ny Tompo 17.Ny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina sy ny asa fanompoana 18.Ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana 19.Ny Lalàn'Andriamanitra 20.Ny Sabata 21.Ny fitandremam-pananana 22.Ny toetra sy fihetsika Kristiana 23.Ny fanambadiana sy ny ankohonana 24.Ny asan'i Kristy ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra 25.Ny fiavian'ni Kristy fanindroany 26.Ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin'ny maty 27.Ny arivo taona sy ny famaranana ny fahotana 28.Ny tany vaovao
|
7. Ny toetran'ny olombelona Gen.1:26-28; 2:7; Sal.8:4-8; Asa 17:24-28; Gen.3; Sal.51:5; Rom.5:12- 17; 2Kor. 5:19,20; Sal. 51:10; 1Jaona 4:7,8,11,20; Gen.2:15 Natao araka ny endrik'Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy ary samy
nanana ny maha-izy nampiavaka azy mbamin'ny fahafahana hisaina sy
hanao. Na dia noforonina hanan-tsafidy aza izy, ny isam-batan'olona dia
iray tsy azo sarahina ny vatana, ny saina, ary ny fanahy, ary miankina
amin'Andriamanitra ny fananany aina sy ny fofonaina ary ny zavatra sisa
rehetra. Rehefa tsy nankato an'Andriamanitra ireo razambentsika, dia
nitsipaka ny fiankinany taminy izy ary lavo niala tamin'ny toerana ambony
nisy azy teo amin'Andriamanitra. Simba ny endrik'Andriamanitra tao aminy
ka tonga nandairan'ny fahafatesana izy. Ny taranak'izy ireo dia mandray
anjara amin'ny fahalavoana nananany mbamin'ny vokatr'izany. Teraka
nanana ny fahalemena sy ny fironana ho amin'ny ratsy izy. Andriamanitra,
ao amin'i Kristy anefa, dia nampihavana izao tontolo izao taminy ary
mampody indray ao amin'ny olombelona mety maty izay mibebaka
ny endrik'Ilay Mpahary azy. Noharina ho voninahitr'Andriamanitra
izy ka antsoina ho tia Azy sy hifankatia, ary hikarakara ny tontolo manodidina azy.
"Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao" Salamo 119:105
|
|